Ary hoy Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, tamin’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.